TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 18 desambra 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 18 desambra 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

 Ity Filan-kevitry ny Minisitra notanterahina androany ity ihany koa no Filan-kevitry ny Minisitra farany ho an’ity taona 2024 ity.

  • I- FANARAHANA NY TETIKASAN’NY FILOHAN’NY REPOBLIKA

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Miroso ireo dingana hametrahana ireo fotodrafitrasa entina hamahana ny olan'ny famatsian-drano eto an-drenivohitra amin'ny alalan'ny tetikasa PAAEP sy JIRAMA WATER 3. Anisan'ireo fotodrafitrasa tafiditra ao anatin’ny tetikasa PAAEP ny fananganana ny toby mpamokatra rano 30.000m³ isanandro ao Ambohitrimanjaka sy ny toby mpamokatra rano ao Mandroseza ary ny fanajariana fantson-drano 64km manerana ny renivohitra. Ao anatin'ny Jirama Water 3 kosa ny fananganana ny toby lehibe mpamokatra rano 50.000m³ ao Amoronankona. Efa an-dalam-pamaranana avokoa ireo fanadihadiana sy ny fiarovana ny lafiny fananan-tany amin'ny fametrahana ireo tetikasa ireo ary efa miroso ihany koa ny dingana amin'ireo tolo-bidy samihafa. Tombanana ho vita mialohan'ny vanim-potoanan'ny main-tany amin'ny taona 2025 avokoa ireo tetikasa ireo hisorohana ny olan'ny famatsian-drano amin'ny taona ho avy.

  • II- FAMPITANA AM-BAVA

  • III- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

  • IV- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

  • V- FANAFOANANA

  

Natao ny 18 Desambra 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika